Acts 20

1Rehefa tapitra ny tabataba, namory ireo mpianatra i Paoly ary nampahery azy ireo avy eo, nanao veloma izy ary lasa mba handeha ho any Makedonia. 2Rehefa nandeha teny amin’ireo faritra ireo izy sy nanao teny fankaherezana maro azy ireo, dia tonga tany Gresia izy. 3Rehefa avy nijanona telo volana tao izy, nisy teti-dratsy noforonin’ireo Jiosy hanoherana azy raha izy handeha hiantsambo ho any Syria iny, ka nanapa-kevitra ny hiverina ho any Makedonia izy.

4Nanaraka azy hatrany Asia lavitra any i Sopatera zanaka lahin’i Pyro avy any Beria; Aristarko sy Sekondo, samy avy amin’ireo mpino Tesalonika; Gayo avy any Derbe; Tymoty, ary Tykiko sy Trofimo avy any Asia. 5Fa ireo lehilahy ireo efa nialoha anay ary niandry anay tany Troasy. 6Niondrana an-tsambo niala tao Filipy izahay taorian’ny andro fihinanana mofo tsy masira, ary tao anatin’ny dimy andro dia tonga tany amin’izy ireo tany Troasy izahay. Ary nitoetra tao izahay nandritra ny fito andro.

7Tamin’ny andro voalohan’ny herinandro, rehefa niangona niaraka mba hanapaka ny mofo izahay, dia niresaka tamin’ireo mpino i Paoly. Izy dia nikasa handeha ny ampitson’iny, ka tsy nanohy niresaka hatramin’ny sasakalina izy. 8Nisy jiro maro tao amin’ny efitra ambony izay nahatongavanay niaraka.

9Teo amin’ny varavarankely no nipetraka ity tovolahy nantsoina hoe Eotika, izay tafalatsaka tao anaty torimaso lalina. Raha niresaka naharitra kokoa i Paoly, io tovolahy io, dia mbola natory, tafalatsaka avy eny amin’ny rihana fahatelo ary nony narenina izy dia hita fa efa maty. 10Fa i Paoly nidina, naninjitra ny tenany teo aminy, ary namihina azy. Avy eo izy niteny hoe: ‘’Aza malahelo intsony, fa velona izy.‘’

11Dia niakatra indray izy avy eo ary nanapaka ny mofo sy nihinana. Rehefa avy niresaka ela tamin’izy ireo hatramin’ny mangiran-dratsy izy, dia nandeha. 12Nitondra ilay tovolahy efa velona niverina izy ireo ary tena faly dia faly.

13Isika mihitsy no nandeha nialohan’i Paoly tamin’ny sambo ary niantsambo ho any Aso, fa any no kasainay handraisana an’i Paoly. Izany no faniriany izy tenany ho atao, satria naniry handeha an-tanety izy. 14Rehefa nihaona taminay tany Aso izy, dia nentinay tamin’ny sambo izy ka nankany Mitylena.

15Avy eo niantsambo avy teo izahay ary tonga tao amin’ny tandrifin’ny nosin’i Kio ny ampitso. Ny andro manaraka dia niantsona tao amin’ny nosin’ny Samo izahay, ary ny ampitson’iny dia tonga tao amin’ny tanànan’i Mileto. 16Fa Paoly nanapa-kevitra ny hiantsambo handalo an’i Efesosy, mba tsy handany fotoana ela any Asia izy; satria izy dia maika ny ho any Jerosalema ny andron’ny Pentekosta, raha azony atao ny manao izany.

17Avy any Mileto no nandefasany lehilahy ho any Efesosy ary nampiantso ny loholon’ny fiangonana hankeo aminy. 18Rehefa tonga tao aminy izy ireo, dia niteny tamin’izy ireo izy hoe: ‘’Ianareo tenanareo mahafantatra, hatramin’ny andro voalohany nanitsahako an’i Asia, hoe toy ny ahoana no nandaniako ny fotoanako niaraka taminareo. 19Izaho dia nanompo hatrany ny Tompo tamin’ny fanetre-tena rehetra sy ranomaso, ary tao anaty fijaliana no nitranga tamiko izany nohon’ny teti-dratsin’ireo Jiosy. 20Ianareo dia mahafantatra fa tsy nitazona fahanginana tamin’ny fanambarana taminareo ireo rehetra izay nilaina aho, sy ny fomba nampianarako anareo teo imason’olona ary tamin’ny isan-trano, 21nijoroako vavolombelona teo amin’ireo Jiosy sy ireo Jentilisa momba ny fibebahana amin’Andriamanitra sy ny finoana ao amin’ny Jesosy Tompontsika.

22Indro ankehitriny, ho any Jerosalema aho, noteren’ny Fanahy Masina ka tsy mahalala izay hahazo ahy any, 23afa-tsy izay hampitandreman’ny Fanahy Masina ahy isaky ny tanàn-dehibe amin’ireo famatorana sy fijaliana izay miandry ahy. 24Fa izaho dia tsy mihevitra ny fiainako hoe sarobidy amin’ny tenako, raha tsy hoe hahavita ny hazakazako sy ny asa fanompoko izay noraisiko avy amin’Jesosy Tompo aho, hanambara ny filazantsaran’ny fahasoavan’ Andriamanitra.

25Ary indro ankehitriny, fantatro fa ianareo rehetra, izay nanambarako ny fanjakana, no tsy hahita ny tarehiko intsony. 26Noho izany ambarako aminareo amin’ity andro ity, fa izaho dia tsy manan-tsiny amin’ny ràn’ny olona. 27Fa tsy nafeniko taminareo ny fanambarana ny sitrapon’Andriamanitra rehetra.

28Noho izany tandremo ny momban’ny tenanareo, sy ny momban’ireo ondry rehetra izay nampiandraketan’ny Fanahy Masina anareo. Mitandrema amin’ny mpiandry ondrin’ny fiangonan’Andriamanitra, izay novidiany tamin’ny ràny manokana. (Fanamarihana: raha toa ka ‘‘Tamin’ny ràny manokana‘’ ny amin’ny antonta-taratasy fahiny dia mivaky hoe: ‘‘Tamin’ny ràn’ny zanaka lahiny manokana.‘’) 29Fantatro fa aorian’ny fandehanako, dia ho avy eo aminareo ireo amboadia masika ary tsy hiantra an’ireo ondry. 30Fantatro fa na dia avy aminareo aza dia hisy olona ho avy ary hanova ny marina mba hitarika ireo mpianatra hanaraka azy ireo.

31Koa miambena. Tsarovy fa nandritry ny telo taona aho no tsy nijanona nampianatra ny tsirairay avy aminareo andro aman’alina tamin’ny ranomaso. 32Ankehitriny ankiniko amin’Andriamanitra sy amin’ny tenin’ny fahasoavany ianareo, izay afaka manangana sy manome anareo ny lova eo amin’ireo rehetra izay nohamasinina.

33Tsy nitsiriritra volafotsy, volamena, na lamban’olona aho. 34Ianareo tenanareo no mahafantatra fa ireto tanana ireto no nanolotra izay nilaiko ary ireo nilain’ireo izay niaraka tamiko. 35Tamin’ny zava-drehetra no nanomezako ohatra anareo ny fomba tokony hanampinareo ireo malemy amin’ny alalan’ny asa, ary ny fomba hitadidianareo ireo tenin’i Tompo Jesosy, teny izay nambarany izy tenany hoe: ‘’Mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray.‘’

36Rehefa avy niteny toy izany izy, dia nandohalika ary nivavaka niaraka tamin’izy rehetra. 37Nisy fitomaniana be teo ary namihina an’i Paoly sy nanoroka azy izy ireo. Nalahelo ny maro tamin’izy ireo noho izay noteneniny, hoe: izy ireo dia tsy hahita ny tavany intsony. Avy eo nanatitra azy teny amin’ny sambo izy ireo.

38

Copyright information for PltULB